bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 22
Jeremiah 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
1
Izao no lazain’NY TOMPO: Midìna any amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda ka lazao any izao teny izao hoe:
2
Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda, izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahady ireto:
3
Izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina ianareo ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona voaroba; aza mampahory na mampidi-doza amin’ny vahiny, ny kamboty sy ny mpitondratena, ary aza mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.
4
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo dia hisy mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5
Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo dia ny tenako no ianianako, hoy NY TOMPO, fa ho lao tokoa ity trano ity.
6
Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Amiko ianao dia tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona, nefa hataoko tonga tany efitra sy tanàna tsy onenana.
7
Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, ary samy hitondra ny fiadiany avy izy; dia hokapain’ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
8
Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity ka samy hiteny amin’ny namany avy hoe: Nahoana NY TOMPO no dia nanao izao tamin’ity tanàna lehibe ity?
9
Dia izao no ho valiny: Noho ny nahafoizany ny faneken’NY TOMPO Andriamaniny sy ny niankohofany tamin’ny andriamanitra hafa sy ny nanompoany ireny.
10
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany.
11
Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Saloma, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’i Josia rainy, izay efa niala tamin’ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy
12
fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo, ary tsy hahita ity tany ity intsony.
13
Lozan’izay manorina ny tranony amin’ny tsy rariny sy ny rihany ambony amin’ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, nefa tsy mandoa ny karamany,
14
sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena.
15
Mpanjaka va ianao ka ataonao be sedera noho ny an’ny sasany ny tranonao? Tsy nihinana sy nisotro va ny rainao? Nefa nanao fitsarana marina izy! Nambinina izy tamin’izany.
16
Nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy; nambinina izy tamin’izany. Tsy izany va no fahalalana Ahy? Hoy NY TOMPO.
17
Nefa tsy misy alehan’ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18
Ary noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Ny olona dia tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! Na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona dia tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! Na: Indrisy ny voninahiny!
19
Halevina toy ny fandevina boriky izy ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.
20
Miakara any Libanona ka miantsoantsoa mafy; asandrato any Basana ny feonao ary miantsoantsoa mafy avy eny Abarima, fa ringana avokoa ireo tia anao.
21
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22
Hopaohin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra, ary ho lasan-ko babo ireo tia anao, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
23
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ny sedera, indrisy ny fisentoanao, rehefa hiharan’ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ny vehivavy eo am-piterahana!
24
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, na dia ho peratra fitombo-kase amin’ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao
25
ka hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainao sy eo an-tanan’izay atahoranao, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo amin’ny tanan’ny Kaldeana.
26
Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo ka any no hahafatesanareo.
27
Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
28
Moa va ity lehilahy Jekonia ity dia vilany efa fanary sy efa torotoro, na fanaka tsy misy ilàna azy intsony no dia nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ny tany tsy fantany?
29
Ry tany! Ry tany! Ry tany! Henoy ny tenin’NY TOMPO.
30
Izao no lazain’NY TOMPO: Soratinareo ho tsy manan-taranaka ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, na hanapaka ao amin’ny Joda intsony.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52