bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 31
Jeremiah 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 32 →
1
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ny Israely Aho ary ho oloko izy.
2
Izao no lazain’NY TOMPO: Nahita fitia any an-tany efitra ny olona izay sisa tsy matin’ny sabatra; mandroso ho amin’ny fitsaharana Israely.
3
Avy any lavitra no nisehoan’NY TOMPO tamiko ka nitenenany hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.
4
Mbola hanorina anao indray Aho ka hiorina ianao, ry Israely virijiny! Mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly.
5
Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianao; ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
6
Fa mbola hisy andro hiantsoan’ny mpitazana any amin’ny tany be havoana any Efraima hoe: Mitsangàna ianareo ka andeha isika hiakatra any Ziona, ho any amin’NY TOMPO Andriamanitsika.
7
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Mihobia amin’ny fifaliana noho ny amin’i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ny lohan’ny firenena, torionareo, deraonareo, ka lazao hoe: TOMPO ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ny Israely.
8
Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho ary hanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany, dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba, na ny mandringa, na izay bevohoka, na izay mihetsi-jaza; vahoaka marobe no hiverina atỳ.
9
Amin’ny fitomaniana no hiaviany, amin’ny fifonany no hitondrako azy; ary hoentiko ho eny amoron’ny renirano izy, amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; fa Rain’Israely Aho ary i Efraima no lahimatoako.
10
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Jentilisa, ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany ka lazao hoe: Izay nampiely ny Israely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.
11
Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba ary efa nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.
12
Dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoanan’i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’NY TOMPO, dia ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ny zanak’ondry ary ny zanak’omby; ary ny fiainany dia ho toy ny tanimboly vonton-drano ka tsy halazo intsony.
13
Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany; hampiononiko izy ary hampifaliako ho afaka alahelo.
14
Dia hovokisako zava-matavy ny mpisorona ary ho voky ny zava-tsoako ny oloko, hoy NY TOMPO.
15
Izao no lazain’NY TOMPO: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany satria lany ritra ireny.
16
Izao no lazain’NY TOMPO: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny asanao, hoy NY TOMPO, ary hody avy any amin’ny tanin’ny fahavalo ireny.
17
Ary misy fanantenana ny amin’ny ho avinao, hoy NY TOMPO; fa ny zanakao dia hiverina ho ao amin’ny taniny indray.
18
Efa reko tokoa i Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizinao aho, eny, nofaizina toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; avereno aho dia ho tafaverina, fa Ianao no TOMPO Andriamanitro.
19
Nony efa niverina tokoa aho dia vao nahalala fanenenana; ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho dia niteha-tratra; menatra sady mangaihay aho fa latsain’ny tsinin’ny fahatanorako.
20
Zanako mahafinaritra va i Efraima, zanaka malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy Aho isaky ny miresaka ny aminy? Noho izany dia onena azy ny foko; hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy NY TOMPO.
21
Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangambato; saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; miverena indray, ry Israely virijiny, miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto.
22
Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpikomy? Fa NY TOMPO efa namorona zava-baovao amin’ny tany: Ny vehivavy indray no hitady lehilahy.
23
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24
Ary i Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ny ondry aman’osiny.
25
Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
26
Ary tamin’izay dia nahatsiaro aho ka nahita ary mamy ny torimasoko.
27
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, ka hafafiko eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda ny taranak’olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28
Ary toy ny niambenako azy mba hongotana sy hazera, harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy haorina sy hambolena kosa, hoy NY TOMPO.
29
Amin’izany andro izany izy dia tsy hiteny intsony hoe: Ny ray no nihinana voaloboka marikivy ka ny nifin’ny zanany no madilo.
30
Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olona rehetra; na iza na iza no homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify.
31
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy amin’ny taranak’i Joda,
32
nefa tsy tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no tompony hoy NY TOMPO.
33
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.
34
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
35
Izao no lazain’NY TOMPO izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro, izay mampilahatra ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina, izay mampanonja ny ranomasina ka mampirohondrohona ny onjany, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:
36
Raha mitsahatra eo anoloako izany fandaminana izany, hoy NY TOMPO, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’Israely.
37
Izao no lazain’NY TOMPO: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’Israely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy NY TOMPO.
38
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’NY TOMPO hatramin’ny trano fiambenana any Hananela ka hatramin’ny vavahady eo an-jorony.
39
Ary ny kofehy fandrefesana dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ny havoanan’i Gareba, dia hasangodina ho any Goa;
40
Ary ny lohasaha fanariana faty sy lavenona rehetra ary ny saha rehetra hatramin’ny Lohasahan-driakan’i Kidrona ka hatreo amin’ny zoron’ny vavahadin-tsoavaly eo atsinanana dia ho masina ho an’NY TOMPO; tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52