bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 18
Jeremiah 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 19 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO:
2
Mitsangàna ka midìna ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga; any no hampandrenesako anao ny teniko.
3
Dia nidina tany amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga aho ary indro, teo am-panaovana ny asany teo amin’ny milina fanodinana izy.
4
Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.
5
Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
6
Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely.
7
Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy;
8
kanefa raha miala amin’ny ratsy izany firenena noteneniko izany dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezana azy.
9
Ary mbetika kosa Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa haoriko sy hamboleko;
10
nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavana azy.
11
Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
12
Nefa hoy ireo: Tsy misy fanantenana ho anay! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay; eny, samy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
13
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Anontanio any amin’ny Jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’Israely virijiny.
14
Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy any an-tsaha va ny orampanalan’i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ny tany hafa?
15
Fa efa nanadino Ahy ny oloko, koa ho an’ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; ary nahatafintohina azy teo amin’ny lalany ireny, dia ny lalana efa hatramin’ny fahagola ka nandehanany amin’ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ny lalana tsy voavoatra.
16
Izany no nahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; izay rehetra mandalo azy dia gaga sy mihifikifi-doha.
17
Toy ny fampielin’ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ny fahavalony; hiamboho azy Aho fa tsy hanatrika azy, amin’ny andro hahitany loza.
18
Hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ny mpisorona, na ny tolo-tsaina avy amin’ny hendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany. Aoka hoenti-mamely azy ny lelantsika ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
19
Mihainoa ahy, TOMPO ô; ary mihainoa ny tenin’izay miady amiko.
20
Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
21
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ny herin’ny sabatra izy ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; ary aoka haripaky ny aretina ny lehilahy lehibe ao aminy ary ho fatin-tsabatra amin’ny ady ny zatovony.
22
Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranony rehefa mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Ianao; fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
23
Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; aza avela ny helony; ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52