bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 28
Jeremiah 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 29 →
1
Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe:
2
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Efa notapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona,
3
koa ao anatin’ny roa taona no hampodiko ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO, izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, avy tato amin’ity tanàna ity ka noentiny ho any Babilona;
4
ary i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babilona, dia hampodiko ho amin’ity tanàna ity, hoy NY TOMPO; fa hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona.
5
Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao amin’ny tranon’NY TOMPO:
6
Eny! Amena! Hoy Jeremia mpaminany; hataon’NY TOMPO anie izany! Hotanterahin’NY TOMPO anie ny teninao izay nolazainao ny amin’ny hampodina ny fanaky ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny babo rehetra hiala any Babilona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray.
7
Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
8
Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
9
Ny amin’ny mpaminany izay maminany fiadanana, raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’NY TOMPO tokoa izy.
10
Dia nesorin’i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
11
Ary niteny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ho afaka amin’ny vozon’ny firenena rehetra ao anatin’ny roa taona. Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.
12
Nony efa notapahin’i Hanania mpaminany ho afaka tamin’ny vozon’i Jeremia mpaminany ny zioga dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO nilaza hoe:
13
Mandehana ka lazao amin’i Hanania hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.
14
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Zioga vy no nataoko tamin’ny vozon’ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka hanompo azy izy; eny, na dia ny bibidia aza dia nomeko azy koa.
15
Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao NY TOMPO; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ny lainga.
16
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hesoriko tsy ho amin’ny tany ianao; amin’ity taona ity ihany no hahafatesanao satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìnao.
17
Dia maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny ihany i Hanania mpaminany.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52