bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 52
Jeremiah 52
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 51
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
1
Iraika amby roapolo taona i Zedekia, raha nanomboka nanjaka, ary iraika amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran’ny reniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia avy any Libna.
2
Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, araka izay rehetra fanaon’i Joiakima.
3
Fa ny fahatezeran’NY TOMPO no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ka nandroahany azy tsy ho eo anatrehany. Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babilona i Zedekia.
4
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia dia tonga i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema; nitoby tandrifiny izy sady nanao tovon-tany manodidina azy.
5
Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin’ny fahiraika amby folo taona nanjakan’i Zedekia mpanjaka.
6
Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an’ny olona tompon-tany intsony.
7
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady teo anelanelan’ny manda roa, izay eo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, fa ny Kaldeana mantsy dia nanodidina ny tanàna. Nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy ireo.
8
Ary nanenjika ny mpanjaka ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
9
Voasambotra ny mpanjaka ka noentiny niakatra ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tany Ribla any amin’ny tany Hamata, dia notsaraina tao izy.
10
Ary ny mpanjakan’i Babilona dia namono ny zanakalahin’i Zedekia teo imason’ny rainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
11
Ary nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny gadra varahina izy ka noentiny nankany Babilona ary nataony tao an-tranomaizina mandra-pahafatiny.
12
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahasivy amby folo nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, mpanompon’ny mpanjakan’i Babilona,
13
ka nandoro ny tranon’NY TOMPO sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tany Jerosalema: Ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ny afo avokoa.
14
Ary ny manda rehetra manodidina an’i Jerosalema dia noravan’ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay nanaraka ny lehiben’ny mpiambina.
15
Ary ny sasany tamin’ny olona mahantra mbamin’ny olona sisa tao an-tanàna sy izay nandositra nanatona ny mpanjakan’i Babilona mbamin’ny vahoaka marobe sisa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo avokoa.
16
Nefa ny olona mahantra dia namelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
17
Ary ireo andry varahina teo amin’ny tranon’NY TOMPO sy ny fitoerana koveta be sy ny koveta be varahina, izay teo amin’ny tranon’NY TOMPO, dia novakivakin’ny Kaldeana ka noentiny ho any Babilona ny varahina rehetra.
18
Noentiny koa ny vilany fandraofan-davenona, ny sotron’afo, ny antsy, ny lovia famafazana, ny lovia kely mbamin’ny fanaka varahina rehetra izay noentina nanaovana fanompoam-pivavahana.
19
Noentin’ny lehiben’ny mpiambina koa ny lovia, ny fitoeran-davenon-jiro, ny lovia famafazana, ny fandraofan-davenona, ny fitoeran-jiro, ny lovia kely, ny kapoaka; na ny volamena na ny volafotsy dia samy noentin’ny lehiben’ny mpanapaka avokoa;
20
lasany koa ny andry roa sy ny koveta lehibe iray ary ny omby varahina roa amby folo, izay teo ambanin’ny fitoeran’ny koveta lehibe, izay nataon’i Solomona mpanjaka ho an’ny tranon’NY TOMPO; ny varahina tamin’izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
21
Fa ny andry, dia valo amby folo hakiho no haavony, ary roa amby folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
22
Nisy lohany varahina teo aminy; dimy hakiho no haavon’ny lohany iray ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny lohany, samy varahina avokoa izany. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mbola tahaka izany ihany koa.
23
Nisy ampongabendanitra enina amby sivifolo kosa teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
24
Ary ny lehiben’ny mpiambina dia nisambotra an’i Seraia mpisoronabe sy i Zefania mpisorona manarakaraka azy ary ny mpiambina varavarana telo lahy;
25
tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa iray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin’ireo mpitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna; nosamboriny koa ny mpitantsoratry ny lehiben’ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enimpolo lahy izay hita teo an-tanàna.
26
Nosamborin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ireo ka noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla.
27
Dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla any amin’ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny.
28
Izao no olona izay noentin’i Nebokadnezara ho babo: Tamin’ny taona fahafito dia Jiosy telo amby roapolo sy telo arivo;
29
tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara dia roa amby telopolo sy valonjato no olona noentiny ho babo avy tany Jerosalema;
30
tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efapolo sy fitonjato no noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin’izy rehetra dia eninjato sy efatra arivo.
31
Tamin’ny andro fahadimy amby roapolo tamin’ny volana faharoa amby folo, tamin’ny taona fahafito amby telopolo taorianan’ny namaboana an’i Joiakina, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona vao nanjakan’i Evila-Merodaka, mpanjakan’i Babilona, dia nasandrany hiala tao an-tranomaizina i Joiakina, mpanjakan’ny Joda.
32
Dia nitenenany soa izy ka ny sezafiandrianany dia nataony ambony noho ny sezafiandrianan’ireo mpanjaka namany tao Babilona.
33
Koa novan’i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-tranomaizina; ary nihinan-kanina teo anatrehan’ny mpanjaka mandrakariva izy tamin’ny andro niainany rehetra.
34
Ary ny fivelomany dia nomena tsy tapaka avy amin’ny mpanjakan’i Babilona, araka ny tokony ho anjarany isanandro isanandro tamin’ny andro rehetra niainany, mandra-pahafatiny.
← Chapter 51
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52