bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 27
Jeremiah 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 28 →
1
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO hoe:
2
Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Manaova kofehy famatorana sy zioga maromaro ianao ka ataovy eo am-bozonao;
3
ary ampanatero any amin’ny mpanjakan’i Edoma, any amin’ny mpanjakan’i Moaba, any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona, any amin’ny mpanjakan’i Tiro ary any amin’ny mpanjakan’i Sidona izany, hoentin’ireo iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda;
4
ary asaivo lazainy amin’ny tompony avy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Izao no holazainareo amin’ny tomponareo:
5
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe sy tamin’ny sandriko nitsotra; ary nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany.
6
Ary ankehitriny, Izaho no nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko; eny, na dia ny bibidia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
7
Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ny fotoana hamaliana ny tanin’izy io kosa, dia hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
8
Izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, dia hovaliko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy NY TOMPO, ambara-pandringako azy amin’ny tanany.
9
Aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpisikidinareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpilalao odinareo, izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo.
10
Fa lainga no nosaininy aminareo mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.
11
Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ny taniny ihany, hoy NY TOMPO, ka hiasa izany izy sady honina ao.
12
Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona ny vozonareo ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
13
Nahoana no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ny vahoakanao, araka ny nolazain’NY TOMPO ny amin’ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilona?
14
Koa aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo! Fa lainga no ambaran’ireo aminareo.
15
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy NY TOMPO, nefa misandoka ho mpaminany amin’ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo sy hahalany ringana anareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
16
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo izay maminany aminareo hoe: Efa hampodina haingana avy any Babilona izao ny fanaky ny tranon’NY TOMPO! Fa lainga no ambarany aminareo ho faminaniana.
17
Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’i Babilona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
18
Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’NY TOMPO dia aoka hifona amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, izy, mba tsy ho lasa ho any Babilona koa ny fanaka sisa ao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda sy ato Jerosalema.
19
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ny andry sy ny koveta sy ny fitoerana koveta ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity,
20
dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy teto Jerosalema ho any Babilona, mbamin’ny manankaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema,
21
eny, izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny fanaka izay sisa ao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda sy ato Jerosalema:
22
Ho any Babilona no hitondrana ireo sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy, hoy NY TOMPO, avy eo vao hoentiko miakatra izy ka hampodiko amin’ity tanàna ity.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52