bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 9
Jeremiah 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 10 →
1
Enga anie aho ka hahita fitoerana any an-tany efitra tahaka ny olona mpandeha lavitra! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy ireo.
2
Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy tamin’ny fahamarinana no nahazoany hery etỳ ambonin’ny tany; fa mandroso amin’ny ratsy kokoa hatrany izy ary tsy mba fantany Aho, hoy NY TOMPO.
3
Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa ary ny namana rehetra dia mandehandeha manaratsy olona.
4
Samy mamitaka ny namany avy izy rehetra ka tsy misy milaza ny marina; mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa tena amin’ny fanaovan-dratsy.
5
Ny fonenanao dia ao anatin’ny fitaka; fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy NY TOMPO.
6
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; fa ahoana no hataoko manoloana ny oloko zanakavavy?
7
Zana-tsipìka mahafaty ny lelany fa miteny fitaka; raha amin’ny vavany dia miteny fihavanana amin’ny namany izy, kanjo ny ao anatiny kosa dia manao otri-po.
8
Tsy hovaliko va izy amin’izany zavatra izany? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?
9
Noho ny amin’ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradradrako, ary noho ny amin’ny kijana any an-tany efitra no hanaovako hira falahelovana, satria may izy ka tsy misy olona mandeha eo intsony, ary tsy re intsony ny feon’ny andian’ondry, ary na ny voromanidina na ny biby dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
10
Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ny amboadia; ary ny tanànan’ny Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina.
11
Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao? Iza no efa nitenenan’ny vavan’NY TOMPO mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny tany efitra ka tsy misy olona mandeha eo intsony?
12
Ary hoy NY TOMPO: Satria nahafoy ny lalànako izay nataoko teo anoloany izy; satria tsy nihaino ny feoko izy ary tsy nankatò izany,
13
fa nandeha araka ny ditran’ny fony sy nanaraka ireo Baala araka izay nampianarin’ny razany azy,
14
dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity ary hampisotroiko rano misy poizina.
15
Haeliko any amin’izay Jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
16
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mihevera tsara ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana ireny mba ho avy; eny, ampanantsoy ireny vehivavy mahay ireny mba ho tonga.
17
Ary asaivo tonga haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika mba hampijohy ny ranomasontsika sy handatsaka ny ranomaso avy amin’ny hodimasontsika.
18
Fa misy feo midradradradra re avy any Ziona hoe: Indrisy! Rava isika; afa-baraka indrindra isika satria tsy maintsy mamoy ny tany fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
19
Nefa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
20
Fa efa nananika ny varavarankelintsika ny fahafatesana ka niditra tao an-dapantsika mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe, ary ny zatovo tsy ho eny amin’ny kianja malalaka.
21
Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy.
22
Izao no lazain’NY TOMPO: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, aoka ny manankarena tsy hirehareha amin’ny hareny.
23
Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO.
24
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,
25
dia i Ejipta, i Joda, i Edoma, ny taranak’i Amona ary Moaba mbamin’izay rehetra mihety volombava, izay monina any an-tany efitra; fa ny Jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’Israely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52