bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 19
Jeremiah 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 20 →
1
Izao no lazain’NY TOMPO: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà zokiolona amin’ny vahoaka sy zokiolona amin’ny mpisorona,
2
dia mankanesa any amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izay eo anoloan’ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao
3
ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hahatonga loza amin’ity tanàna ity Aho ka izay mandre izany dia hangintsina ny sofiny,
4
satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ny andriamanitra hafa izay tsy fantany akory, ary tsy fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ny Joda izy. Efa nameno ity tanàna ity tamin’ny ran’ny tsy manan-tsiny izy
5
ary nanorina toerana fanaovana sorona ho an’ny Baala mba handoroany ny zanany ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Baala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hanaovana ity toerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7
Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia.
8
Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra ka izay rehetra mandalo azy dia ho figagana sady hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
9
Ary hampihinaniko ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy izy ao anatin’ny fahirano sy amin’ny fahaverezan-kevitra, izay haneren’ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10
Dia torotoroy eo imason’ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara
11
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony.
12
Dia toy izany no hataoko amin’ity tanàna ity sy amin’izay mponina ato; hatao tahaka an’i Tofeta ity tanàna ity, hoy NY TOMPO.
13
Ary ny tranon’i Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony, ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra, sady nanidinany fanatitra aidina ho an’izay andriamanitra hafa.
14
Ary i Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’NY TOMPO azy haminany; nitsangana teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO izy ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
15
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ity tanàna ity sy amin’ny vohitra miankina aminy rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafisany ny hatony tsy nihainoany ny teniko.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52