bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 13
Jeremiah 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 14 →
1
Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Andeha mividy fehikibo lamba rongony ho anao ka afehezo amin’ny kibonao fa aza alona ao anaty rano.
2
Dia nividy fehikibo aho araka ny tenin’NY TOMPO ka namehezako ny kiboko.
3
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe:
4
Ento ny fehikibo izay novidinao, dia ilay amehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any ony amin’ny Eofrata ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izany.
5
Dia nandeha aho ary nafeniko tao amoron’ny ony Eofrata izany, araka ny nandidian’NY TOMPO ahy.
6
Nony afaka andro maro dia hoy NY TOMPO tamiko: Mitsangàna ka mankanesa any amin’ny ony Eofrata ary alao any ny fehikibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7
Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony.
8
Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
9
Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ny Joda sy ny haben’ny avonavon’ny Jerosalema.
10
Ity firenena ratsy ity izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony ka manaraka andriamanitra hafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehikibo ity ka tsy azo atao na inona na inona intsony.
11
Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko, hoy NY TOMPO, mba ho oloko, ho laza sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny, kanjo tsy nety nihaino izy.
12
Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?
13
Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
14
Ary hampifamotehiko izy, dia ny ray mbamin’ny zanany, hoy NY TOMPO; tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
15
Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; fa NY TOMPO no miteny.
16
Manomeza voninahitra NY TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny haizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo; fa amin’izany, raha miandry ny mazava ianareo dia hataony tonga aloky ny fahafatesana izany ka hampodiny ho haizim-pito.
17
Fa raha tsy hihaino izany ianareo dia hitomany any amin’ny mangingina aho satria misy fiavonavonana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso hijononoka be satria voababo ny ondrin’NY TOMPO.
18
Lazao amin’ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ny tany fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satroboninahitrareo tsara tarehy.
19
Voarindrina ny tanàna any Negeva ka tsy misy mamoha; lasan-ko babo i Joda manontolo, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20
Atopazy ny masonareo ka tazano izay avy any avaratra; aiza ny andian’ondry izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21
Ahoana re no holazainao raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, nefa ianao izao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny an’ny vehivavy miteraka?
22
Ary raha miteny anakampo ianao hoe: Ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ny helokao no nampiaingana ny morontongotr’akanjonao sy nandratrana ny voditongotrao.
23
Moa mahova ny hodiny va ny Kosita? Ary mahova ny sorany va ny leoparda? Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy?
24
Koa dia haeliko toy ny vodivary indaosin’ny rivotra avy any an-tany efitra izy.
25
Izany no anjara azonao tamin’ny antsapaka, dia anjara voarefy ho anao, avy Amiko hoy NY TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ny lainga.
26
Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr’akanjonao ho eny amin’ny tavanao mba hisehoan’ny henatrao.
27
Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ny fijejojejoanao any amin’ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hanadio ny tenanao?
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52