bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 16
Jeremiah 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 17 →
1
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Aza manambady ianao, ary aoka tsy hanana zanakalahy na zanakavavy amin’ity tany ity.
3
Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin’ity tany ity sy ny amin’ny reniny izay niteraka azy ary ny amin’ny rainy izay niteraka azy amin’ity tany ity koa:
4
Ho fatin’ny aretina izy, nefa tsy hisaonana na halevina fa ho zezika eny ambonin’ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy ka ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny.
5
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy NY TOMPO, dia ny famindrampo sy ny fiantrana.
6
Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ity tany ity; samy tsy halevina na hisaonana izy, tsy hitetehan’ny sasany tena, na hihetezany volo koa
7
Ary tsy hisy hamahan-kanina azy ao amin’ny fisaonany mba hampionona azy ny amin’ny maty; ary tsy hisy hampisotro azy amin’ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny.
8
Ary aza miditra ao amin’ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.
9
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.
10
Ary raha ambaranao amin’ity firenena ity izany teny rehetra izany ka hoy izy aminao: Nahoana NY TOMPO no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay? Ary inona no fahotana izay nanotanay tamin’NY TOMPO Andriamanitray?
11
Dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy, hoy NY TOMPO, noho ny nanarahany andriamanitra hafa, noho ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalànako.
12
Ary ny tenanareo koa dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny razanareo. Fa e ianareo samy mandeha araka ny ditran’ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy!
13
Dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo ho any amin’ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; any no hanompoanareo andriamanitra hafa andro aman’alina satria tsy hamindra fo aminareo Aho.
14
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hilazana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta;
15
fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; eny, hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy.
16
Indro, haniraka mpanarato maro Aho, hoy NY TOMPO, izay hanarato azy; ary rehefa afaka izany dia haniraka mpihaza maro Aho, izay hihaza azy any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
17
Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, tsy miafina amin’ny tavako izany, ary tsy takona amin’ny masoko ny helony.
18
Alohan’izany anefa dia hovaliko avo sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ireo fatin’ny sampiny sy fahavetavetany ireo.
19
TOMPO ô, Ianao no heriko sy fialofako ary fandosirako amin’ny andro fahoriana! Ho tonga eo aminao ny Jentilisa avy any amin’ny faran’ny tany ka hiteny hoe: Eny tokoa, lainga no nolovan’ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
20
Moa mahay manao andriamanitra ho an’ny tenany va ny olona? Tsy andriamanitra ireny.
21
Koa indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko ka ho fantany fa NY TOMPO no anarako.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52