bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 17
Jeremiah 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 18 →
1
Ny fahotan’ny Joda dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ny vato fisaka sy eo amin’ny tandroky ny alitarany izany,
2
dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny tsangakazon-tsampin’ny Aserahany, akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny vohitra avo.
3
Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny harenanao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny toerana fanaovanao sorona koa aza noho ny fahotana tao anatin’ny faritaninao rehetra.
4
Avy aminao ihany no mahatonga anao hamoy ny lova izay nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany izay tsy fantatrao ianao; Eny, ny afo izay narehitrareo tamin’ny fahatezerako dia hirehitra mandrakizay.
5
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’NY TOMPO ny fony.
6
Fa ho tahaka ny anjavidy any an-tany ngazana izy ka tsy mba hahita ny soa, na dia avy aza izany; fa honina any amin’ny tany karankaina any an-tany efitra izy, dia any amin’ny tanin-tsira izay tsy azo onenana.
7
Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.
8
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany.
9
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy hay sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?
10
Izaho TOMPO no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.
11
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Hilaozan’izany eo antenantenan’androny izy; ho lasa adala no hiafarany.
12
Sezafiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ny voalohany ny fitoera-masintsika.
13
Ry TOMPO, fanantenan’ny Israely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao ary hosoratana amin’ny vovoka izay miala Aminao satria efa nahafoy NY TOMPO, loharano velona izy.
14
TOMPO ô, sitrano aho dia ho sitrana; vonjeo aho dia ho voavonjy fa Ianao no fiderako.
15
Indro, ireo dia miteny amiko hoe: Aiza ny tenin’NY TOMPO? Aoka ho tanteraka izany.
16
Fa tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao aho; tsy niriko ny andro hiavian’ny loza, eny, fantatrao izany; izay nivoaka avy tamin’ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
17
Aoka tsy ho fampatahorana ahy Ianao! Fialofako amin’ny andro fahoriana Ianao!
18
Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa aoka kosa aho tsy mba ho menatra; aoka hivadi-po ireo, fa aoka kosa aho tsy mba hivadi-po; ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
19
Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Mandehana ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ny mpanjakan’ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema
20
ka lazao amin’ny olona hoe: Henoinareo, ny tenin’NY TOMPO, ry mpanjakan’ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.
21
Izao no lazain’NY TOMPO: Mitandrema ianareo ka aza mitondra entana amin’ny andro Sabata ary aza mampiditra entana amin’ny vavahadin’i Jerosalema;
22
aza mitondra entana mivoaka avy amin’ny tranonareo amin’ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
23
Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
24
Fa raha mihaino Ahy tokoa ianareo, hoy NY TOMPO, ka tsy mampiditra entana amin’ny vavahadin’ity tanàna ity amin’ny andro Sabata ary tsy manao raharaha amin’izany andro izany,
25
izay mpanjaka na mpanapaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanàna ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka, ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
26
Ary ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’ny Joda, ny manodidina an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Benjamina, ny avy any Sefela sy ny tany havoana ary ny avy any Negeva ka hitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ditin-kazo mani-pofona, ary hitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
27
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ny vavahadin’i Jerosalema ihany amin’ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52