bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 21
Jeremiah 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 22 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malkia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hilaza hoe:
2
Miangavy anao aho, manontania amin’NY TOMPO ho anay; fa miady aminay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona; angamba NY TOMPO hiteny aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ireo aminay.
3
Dia hoy i Jeremia taminy: Lazaonareo amin’i Zedekia hoe:
4
Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo izay entinareo miady eny ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilona sy amin’ny Kaldeana izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo.
5
Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tanana mitsotra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
6
Hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: Ho fatin’ny areti-mandringana izy.
7
Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
8
Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana:
9
Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona ka ny ainy no ho babony.
10
Fa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy NY TOMPO; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona izy ka hodorany amin’ny afo.
11
Henoy ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny.
12
Ry taranak’i Davida, izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina isa-maraina ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona norobaina, fandrao hivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary hirehitra ka tsy hisy hahavono noho ny ratsy ataonareo.
13
Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy NY TOMPO, dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay?
14
Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy NY TOMPO, ary handrehitra afo ao amin’ny alany ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52