bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 40
Jeremiah 40
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 41 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia.
2
Ary naka an’i Jeremia ny lehiben’ny mpiambina ka niteny taminy hoe: NY TOMPO Andriamanitrao no nanambara izao loza izay nanjo ity tanàna ity izao.
3
NY TOMPO no nahatonga izany ka nanatanteraka araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’NY TOMPO sy ny tsy nihainoanareo ny feony; izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4
Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
5
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy dia hoy i Nebozaradana: Miverena indray any amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, izay voatendrin’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tanànan’ny Joda ka tomoera any aminy miaraka amin’ny olona, na mandehana any amin’izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
6
Ary i Jeremia dia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-monina taminy tao amin’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany.
7
Ary rehefa ren’ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilona dia efa nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra sasany teo amin’ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babilona,
8
dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa izy, dia Ismaela, zanak’i Netania; i Johanana sy i Jonatana, zanak’i Karea; i Seraia, zanak’i Tanometa; ny zanak’i Efay netofatita ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
9
Ary i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ny olom-peheziny hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ny tany ka manompoa ny mpanjakan’i Babilona, dia hahita soa ianareo.
10
Ary ny amiko dia indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa manangòna ianareo divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo ka ataovy ao amin’ny fitahirizanareo, dia monena amin’izay tanàna nidiranareo.
11
Ary ny Jiosy rehetra koa izay tany Moaba sy tany amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan’i Babilona efa namela ny Joda hisy sisa sady nanendry an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, ho mpanapaka azy.
12
Dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ny tanin’ny Joda ho any amin’i Gedalia tao Mizpa; dia nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be izy ireo.
13
Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa
14
ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama.
15
Ary i Johanana, zanak’i Karea, dia nilaza mangingina tamin’i Gedalia tao Mizpa hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hamono an’Ismaela, zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ny Joda?
16
Hoy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama, tamin’i Johanana, zanak’i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’Ismaela ianao.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52