bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 15
Jeremiah 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 16 →
1
Hoy NY TOMPO tamiko: Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mijoro eto anatrehako dia tsy hankasitraka ity firenena ity Aho; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
2
Ary raha toa izy ka miteny aminao hoe: Hiala hankaiza ary izahay? Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izay ho amin’ny fahafatesana dia ho amin’ny fahafatesana, izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra, izay ho amin’ny mosary dia ho amin’ny mosary, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana.
3
Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy NY TOMPO: Dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina ary ny bibidia hihinana sy handany;
4
Ary ataoko ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy noho ny amin’i Manase, zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.
5
Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsapa alahelo anao? Iza no hivily hanantsafa anao?
6
Ianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy NY TOMPO; koa atsotrako kosa ny tanako hamely anao, ary efa mandringana anao Aho satria efa sasatra ny manenina.
7
Ary kororohiko amin’ny fikororohana any amin’ny vavahadin’ny tany izy; ary vonoiko ny zanany, eny, aringako ny oloko, nefa tsy mety miala amin’ny fanaony ihany izy mba hiverenany.
8
Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.
9
Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menatra sy mangaihay izy; ary izay sisa eo aminy dia hatolotro ho voan’ny sabatra eo anoloan’ny fahavalony, hoy NY TOMPO.
10
Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy izay lehilahy ilàna ady sy fifandirana eny amin’ny tany rehetra! Tsy nisambo-bola aho, ary tsy nisy nisambo-bola tamiko, nefa dia ozonin’ny olona rehetra ihany aho.
11
Dia hoy NY TOMPO: Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao; hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory.
12
Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?
13
Ny fanananao sy ny harenanao ao anatin’ny faritaninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
14
ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin’ny tany tsy fantatrao izany; fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako ka handoro anareo no irehetany.
15
Ianao no mahalala, TOMPO ô, tsarovy aho ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; aza dia mandefitra aminy Ianao, fandrao ho afaka ny aiko; aoka ho fantatrao fa noho ny Aminao no nitondrako latsa.
16
Hitako ireo teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô.
17
Izaho dia tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tananao ahy satria nofenoinao fahatezerana aho.
18
Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako? Nahoana no marary ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao, dia rano tsy azo itokiana?
19
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Raha miverina ianao dia horaisiko indray ka hitsangana eo anatrehako; ary raha manavaka ny zava-tsoa amin’ny zava-poana ianao dia ho solom-bavako; hanatona anao indray ireny; fa tsy ianao no hanatona azy.
20
Ary hataoko fefy varahina matevina ho fiarovana ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy nefa tsy hahaleo anao; fa momba anao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy NY TOMPO.
21
Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpampahory.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52