bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 48
Jeremiah 48
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 49 →
1
Ny amin’i Moaba. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Nidiran-doza i Nebo fa rava! Mangaihay i Kiriataima fa azo; mangaihay i Misgaba sady raiki-tahotra.
2
Tsy misy ho reharehan’i Moaba intsony; tao Hesbona no niheverany izay hampidi-doza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena intsony izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, hanenjika anao ny sabatra.
3
Injay misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
4
Rava i Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
5
Fa miakatra mitomany tsy misy fiafarany eny amin’ny fiakarana Lohita izy; ary any amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
6
Mandosira, vonjeo ny ainareo ary aoka ho tahaka ny anjavidy any an-tany efitra ianareo.
7
Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny harenanao dia ho voasambotra koa ianao; ary i Kemosy dia ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka azy rehetra.
8
Ary ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra ny mpandringana ka tsy hisy tanàna tsy ho azo; ho simba koa ny lohasaha, ary ho rava ny tany lemaka, araka izay nolazain’NY TOMPO.
9
Omeo elatra i Moaba fa hanidina izy ka ho lasa; ary ho lao ny tanànany ka tsy hisy mponina.
10
Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’NY TOMPO atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!
11
Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy mba naidina nafindrafindra siny ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy niovan’ny fofony.
12
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanirahako olona any aminy, hampihohoka ny fitoeran-divainy ka hanafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny siny hoditrany.
13
Ary ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kemosy, toy ny nahamenatra ny taranak’Israely noho ny amin’i Betela tokiny.
14
Ahoana no ilazanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ady izahay?
15
Rava i Moaba, fa ny tanànany dia efa levon’ny setroka ary nidina ho any amin’ny famonoana ny zatovony voafantina, hoy ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no anarany.
16
Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba ary manatona haingana ny fahoriany.
17
Mitomania azy ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, lazao hoe: Indrisy! Tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
18
Ry mponina ao Dibona zanakavavy, midìna hiala amin’ny voninahitrao ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
19
Ry mponina any Aroera mijanòna eny an-dalambe ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Inona no nitranga?
20
Afa-baraka i Moaba, eny, raiki-tahotra izy; midradradradrà sy miantsoantsoa mafy ka ambaraonareo ao Arnona fa rava i Moaba.
21
Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ny tany lemaka, dia ao Holona, Jahaza, Mefata,
22
Dibona, Nebo, Bety-Diblataima,
23
Kiriataima, Bety-Gamola, Bety-Meona,
24
Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25
Voakapa ny tandrok’i Moaba ary tapaka koa ny sandriny, hoy NY TOMPO.
26
Ataovy leon-divay izy fa niavonavona tamin’NY TOMPO; hihosinkosina amin’ny loany i Moaba sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
27
Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Israely? Moa hita fa naman’ny mpangalatra va izy no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
28
Ry mponina any Moaba! Ilaozy ny tanàna ka mitoera any amin’ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ ampitan’ny hantsana ianao.
29
Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba, fatra-piavonavona loatra mantsy izy, renay ny fireharehany sy ny fiavonavonany ary ny fiaingitrainginy sy ny avonavon’ny fony.
30
Izaho no mahalala ny vavany tafahoatra sy ny fibedibediny foana, hoy NY TOMPO; samy tsinontsinona ireny.
31
Koa hidradradradra noho ny amin’i Moaba aho; eny, hitomany noho ny amin’i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa ny olona.
32
Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
33
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba; ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka, raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory.
34
Ny fitarainan’i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-Selisia; fa na dia ny ranon’i Nimrima aza dia ho ritra koa.
35
Ary hatsahatro ao Moaba koa izay miakatra hanatitra amin’ny toerana fanaovana sorona sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamaniny, hoy NY TOMPO.
36
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba, ary ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-Haresa, eny, noho izany dia levona ny harena be izay noharìny.
37
Fa nosolaina ny loha rehetra, voaharatra ny somotra rehetra, asiana tetika amin’ny tanana rehetra ary lamba fisaonana no amin’ny andilany.
38
Eny, amin’ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny amin’ny kianja malalaka dia misy fisaonana avokoa; satria torotoroiko toy ny fanaka tsy misy ilàna azy intsony i Moaba, hoy NY TOMPO.
39
Indrisy! Raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! Efa miamboho i Moaba, mangaihay izy ka tonga mampihomehy sady mampatahotra ho an’izay rehetra manodidina azy.
40
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba.
41
Azo ny tanàna Keriota ary azo ny manda fiarovana, ary amin’izany andro izany ny fon’ny lehilahy maherin’i Moaba dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
42
Fa horavana tsy ho firenena intsony i Moaba satria niavonavona tamin’NY TOMPO.
43
Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy NY TOMPO.
44
Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ny fandrika; fa hataoko tonga amin’i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy NY TOMPO.
45
Ao amin’ny alokalok’i Hesbona no ijanonan’ny mpandositra satria lany hery ireny; kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona ary lelafo avy any Sihona ka mandevona ny sisin’i Moaba sy ny tampon-dohan’ny mpitabataba.
46
Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao lahy ary hosamborina ny zanakao vavy.
47
Nefa mbola hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany i Moaba amin’ny ho avy, hoy NY TOMPO. Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba.
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 49 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52