bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 25
Jeremiah 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 26 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia ny amin’ny Joda rehetra tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona,
2
dia izay nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’ny Joda rehetra sy tamin’ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
3
Hatramin’ny taona fahatelo amby folo nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, dia telo amby roapolo taona izao, no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha vao maraina aho ka nilaza nefa tsy nihaino ianareo.
4
Ary NY TOMPO naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5
Samia ianareo miala amin’ny lalan-dratsinareo avy sy amin’ny ratsy fanaonareo, dia honina any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
6
Ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan’ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7
Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tananareo ianareo dia nahita loza.
8
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko
9
dia indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko, hoy NY TOMPO, ary hoentiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako toy ny zavatra voaozona tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
10
Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.
11
Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona.
12
Rehefa tapitra ny fitopolo taona, hoy NY TOMPO, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’i Babilona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
13
Ary hotanterahiko amin’izany tany izany ny teniko rehetra izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, izay nambara tamin’i Jeremia mpaminany hoenti-mamely ny firenena rehetra.
14
Fa ireo kosa indray dia hanompo firenena maro sy mpanjaka lehibe maro; ary hovaliako araka ny nataony sy araka ny asan’ny tanany avy izy.
15
Fa izao no nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoakan-divain’ny fahatezerana mirehitra ity ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
16
Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17
Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’NY TOMPO ka nampisotroiko ny firenena rehetra izay nanirahan’NY TOMPO ahy,
18
dia Jerosalema, ny tanànan’ny Joda, ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hahatonga azy ho tany lao sy ho figagana, ho zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’izao anio izao;
19
i Farao, mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra;
20
ny olona samihafa firenena rehetra, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany Oza, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistina, Askelona, Gaza, Ekrona, ny sisa any Asdoda;
21
Edoma, Moaba, ny taranak’i Amona,
22
ny mpanjaka rehetra any Tiro, ny mpanjaka rehetra any Sidona, ny mpanjakan’ny nosy any andafin’ny ranomasina;
23
Dedana, Tema, Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo;
24
ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ny firenena maro samihafa izay monina any an-tany efitra;
25
ny mpanjaka rehetra any Zimry, ny mpanjaka rehetra any Elama, ny mpanjaka rehetra any Media,
26
ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro rehefa avy misotro ireo.
27
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà, koa aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28
Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy maintsy misotro ianareo.
29
Fa indro, tao amin’ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny loza, koa ho afaka madiodio va ianareo? Tsy ho afaka madiodio ianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
30
Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao ka teneno hoe: NY TOMPO hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin’ny sahany Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.
31
Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana; fa NY TOMPO manana ady amin’ny firenena; mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra, hoy NY TOMPO.
32
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samihafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka avy any amin’ny faran’ny tany;
33
Amin’izany andro izany ny voavonon’NY TOMPO dia hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany iray ka hatrany amin’ny farany iray hafa koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.
34
Midradradradrà ianareo mpitondra, ary miantsoantsoa mafy; eny, mihosinkosena ianareo mpiandry ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fianjeran’ny fanaka sarobidy.
35
Tsy hisy toerana handosiran’ny mpitondra ary tsy hisy fahafahana ho an’ny mpiandry ny ondry.
36
Injany misy feo fitarainan’ny mpitondra sy fidradradradran’ny mpiandry ny ondry aminy! Satria efa nosimban’NY TOMPO ny saha fiandrasana azy;
37
ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.
38
Nandao ny fiereny toy ny liona tanora Izy; fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ny mpampahory sy noho ny firehetan’ny fahatezerany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52