bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 32
Jeremiah 32
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 33 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara.
2
Fa tamin’izany no nanaovan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremia mpaminany dia nambenana teo amin’ny trano fiambenana izay teo amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda.
3
Fa nampiambina azy i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sady niteny hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ity tanàna ity ka ho azony;
4
ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan’ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
5
ary any Babilona no hitondrana an’i Zedekia, koa ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy NY TOMPO. Na dia miady amin’ny Kaldeana aza ianareo dia tsy haharesy azy.
6
Ary hoy i Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
7
Indro i Hanamela, zanak’i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hiteny hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
8
Ary i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, dia tonga tao amiko teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana araka ny tenin’NY TOMPO ka hoy izy tamiko: Miangavy anao aho, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ny tanin’ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Dia fantatro fa tenin’NY TOMPO izany.
9
Ary novidiko tamin’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, ny saha izay tao Anatota; nolanjaiko ny vola, dia sekela volafotsy fito amby folo.
10
Ary nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona maromaro, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola.
11
Dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao mbamin’ny taratasy mivelatra koa;
12
ary natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.
13
Dia nanome didy an’i Baroka teo anatrehan’ireo aho hoe:
14
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany ireto, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
15
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ity tany ity.
16
Ary rehefa voatolotra an’i Baroka, zanak’i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’NY TOMPO aho hoe:
17
Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nitsotra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao atao.
18
Mamindra fo amin’ny arivoarivo Ianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ny zanany mandimby azy, dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anaranao,
19
lehibe amin’ny fisainana sady mahery amin’ny atao; fa mibanjina ny alehan’ny zanak’olombelona rehetra ny masonao mba hanome azy rehetra, araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany.
20
Ianao no nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany koa, na ao amin’ny Israely, na ao amin’ny olona hafa koa, dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao.
21
Nitondra ny Israely olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Ianao tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nitsotra ary ny fampahatahorana lehibe,
22
ary nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao tamin’ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
23
Ary tonga teto izy dia nandova izany, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànanao; tsy nanao na inona na inona tamin’izay rehetra nasainao nataony izy ka nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
24
Indro, ny tovon-tany dia miorina akaikin’ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tanan’ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, koa indro, hitan’ny masonao izany.
25
Ary Ianao, Andriamanitra Tompo ô, dia niteny tamiko hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona maromaro, na dia efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana aza ny tanàna.
26
Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe:
27
Indro, Izaho no TOMPO, Andriamanitry ny nofo rehetra. Moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
28
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hatolotro eo an-tanan’ny Kaldeana ity tanàna ity ary eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ka ho azony.
29
Ary ny Kaldeana izay mamely ity tanàna ity, dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ny Baala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa mba hampahatezitra Ahy.
30
Fa izay ratsy teo imasoko ihany no nataon’ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa efa nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tanany ny Zanak’Israely, hoy NY TOMPO.
31
Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
32
noho ny ratsy rehetra nataon’ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda, dia izy sy ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony, ny mpaminaniny, ny lehilahy amin’ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
33
Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy; ary na dia nampianariko aza izy, eny, nifoha vao maraina Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
34
Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
35
ary nanorina ny toerana fanaovana sorona ho an’i Baala, izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izy mba hampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo ho an’i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
36
Koa noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
37
Indro, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirako be izy; ary hoentiko amin’ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fehizay;
38
ary ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny.
39
Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava, hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
40
dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa mba tsy hialany Amiko.
41
Eny, ho faly aminy Aho ka hanasoa azy, dia hamboly azy amin’ity tany ity tokoa amin’ny foko manontolo sy ny fanahiko manontolo.
42
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Araka ny namelako izao loza lehibe rehetra izao ho tonga tamin’ity firenena ity, dia araka izany koa no hamelako ho tonga aminy ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
43
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana.
44
Eny, saha no hovidin’ny olona vola ka hosoratany amin’ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona maro ao amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, amin’ny tanànan’ny Joda, amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela ary amin’ny tanàna any Negeva; fa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy, hoy NY TOMPO.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52