bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 35
Jeremiah 35
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 36 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:
2
Mankanesa any amin’ny taranak’i Rekaba ary mitenena aminy, dia ampidiro ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ao amin’ny efitrano iray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
3
Dia nalaiko i Jazania, zanak’i Jeremia, zanak’i Habazinia, sy ny rahalahiny ary ny zanany rehetra mbamin’ny taranak’i Rekaba rehetra,
4
ka nampidiriko ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO izy, dia tao amin’ny efitranon’ny taranak’i Hanana, zanak’i Jigdalia, lehilahin’Andriamanitra, izay ao anilan’ny efitranon’ny mpanapaka, ao ambonin’ny efitranon’i Mahaseia, zanak’i Saloma, mpiambina ny varavarana.
5
Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan’ny taranak’i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.
6
Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, efa nanafatra anay hoe: Aza mba misotro divay mandrakizay ianareo na ny taranakareo;
7
ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa tranolay no itoeronareo amin’ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ny tany izay ivahinianareo.
8
Dia nankatoavinay izany tenin’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, izany, tamin’izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;
9
ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra famafy izahay;
10
fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran’i Jonadaba razanay anay.
11
Fa rehefa nananika ny tany i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Siriana, dia izany no itoeranay eto Jerosalema.
12
Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe:
13
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Andeha, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? Hoy NY TOMPO.
14
To ny tenin’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, satria tsy misotro tokoa izy mandraka androany fa mahatana ny hafatry ny razany. Ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha vao maraina Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.
15
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Samia miala amin’ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy, dia honina amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo; nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
16
Eny, nankatoavin’ny zanak’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, ny hafatry ny razany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa dia tsy mba nihaino Ahy.
17
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy satria efa niteny taminy Aho fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho fa tsy namaly izy.
18
Ary ny taranak’i Rekaba dia nilazan’i Jeremia hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
19
dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: I Jonadaba, zanak’i Rekaba, dia tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52