bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 33
Jeremiah 33
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 34 →
1
Tonga fanindroany tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO, raha mbola voatazona teo amin’ny trano fiambenana ihany izy hoe:
2
Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanao izany, dia NY TOMPO izay namorona izany mba hampitoetra azy; NY TOMPO no anarany:
3
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
4
Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra,
5
raha nandroso hiady tamin’ny Kaldeana izy ka nameno ny trano tamin’ny fatin’olona izay novonoiko tamin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra,
6
dia indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny harenan’ny fiadanana sy ny fahamarinana.
7
Ary ny Joda sy ny Israely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany ka haoriko ho toy ny taloha izy.
8
Ary hodioviko ho afaka amin’ny helony rehetra izay nanotany Tamiko izy; koa havelako ny helony rehetra izay nanotany sy nikomiany Tamiko.
9
Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
10
Izao no lazain’NY TOMPO: Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony, dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny lalamben’i Jerosalema izay efa lao ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy,
11
no mbola handrenesana indray ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny an’ny ampakarina ary ny feon’izay miteny hoe: Miderà an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, fa tsara Izy, fa, mandrakizay ny famindrampony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO; fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy NY TOMPO.
12
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’osiny,
13
dia amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela, amin’ny tanàna any Negeva, amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary amin’ny tanànan’ny Joda, dia mbola hampandalovina eo anatrehan’ny mpanisa azy ny ondry aman’osy mba ho isainy, hoy NY TOMPO.
14
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanatanterahako ny teny soa izay nolazaiko ny amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.
15
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany dia hampaniry Solofo marina ho an’i Davida Aho; ary hanao fitsarana marina amin’ny tany Izy.
16
Amin’izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary handry fehizay i Jerosalema; ary izao no hanononana azy: NY TOMPO no Fahamarinantsika.
17
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy ho diso zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’ny taranak’Israely i Davida;
18
ary ny levita mpisorona dia tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, izay hanolotra tsy tapaka, fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra.
19
Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe:
20
Izao no lazain’NY TOMPO: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ny andro sy ny fanekeko ny amin’ny alina ianareo, mba tsy hisy intsony andro sy alina amin’ny fotoanany,
21
dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny sezafiandrianany, sy ny amin’ny levita mpisorona, mpanompoko.
22
Toy ny hamaroan’ny kintana eny amin’ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23
Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe:
24
Tsy hitanao va izay nolazain’ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’NY TOMPO dia efa nariany; toy izany no anamavoany ny oloko ka tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
25
Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko ary raha tsy notendreko ny lalàna mitondra ny lanitra sy ny tany,
26
dia hariako ny taranak’i Jakoba sy i Davida mpanompoko ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba; fa hampodiko avy amin’ny fahababoana izy ka hamindrako fo.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52