bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 29
Jeremiah 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 30 →
1
Izao no tao anatin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona ary ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra izay nobaboin’i Nebokadnezara ka noentiny avy tany Jerosalema ho any Babilona,
2
rehefa lasa niala tany Jerosalema i Jekonia mpanjaka, ny reniny, ny tandapa, ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy,
3
dia ilay teny nampitondrainy an’i Elasa, zanak’i Safana, sy i Gemaria, zanak’i Hilkia, izay nirahin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ho any Babilona, ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, nilaza hoe:
4
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, amin’ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babilona:
5
Manaova trano ianareo ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy.
6
Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
7
Katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’NY TOMPO ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
8
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo sy ny mpisikidinareo izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
9
Fa lainga no faminaniany aminareo amin’ny anarako; tsy naniraka azy ireny Aho, hoy NY TOMPO.
10
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tapitra ny fitopolo taona ny amin’i Babilona dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teny tsara nataoko ka hampodiko ho amin’ity tany ity ianareo.
11
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
12
Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka Amiko dia hihaino anareo Aho.
13
Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo.
14
Eny, ho hitanareo Aho, hoy NY TOMPO; ary hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra sy avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy NY TOMPO, ary hampodiko ho any amin’ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
15
Hoy anefa ianareo: NY TOMPO nanangana mpaminany ho anay etỳ Babilona.
16
Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay monina amin’ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo;
17
izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ka hataoko toy ny aviavy tena ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
18
Ary henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ny firenena izay nandroahako azy
19
noho ny tsy nihainoany ny teniko izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy NY TOMPO.
20
Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babilona.
21
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, ny amin’i Ahaba, zanak’i Kolaia, sy ny amin’i Zedekia, zanak’i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, izy roa lahy dia hovonoiny eo imasonareo.
22
Ary izy roa lahy dia hataon’ny babo rehetra amin’ny Joda izay any Babilona ho fanozonana hoe: Hataon’NY TOMPO tahaka an’i Zedekia sy i Ahaba, izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilona tamin’ny afo, anie ianao,
23
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ny Israely dia ny nijangajangany tamin’ny vadin’ny namany sy ny nitenenany lainga tamin’ny anarako, dia izay teny tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ary ho vavolombelon’izany Aho, hoy NY TOMPO.
24
Ary i Semaia nehelamita dia hilazanao hoe:
25
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin’ny anaranao ho amin’ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin’i Zefania mpisorona, zanak’i Mahaseia, ary amin’ny mpisorona rehetra hafa koa nilaza hoe:
26
NY TOMPO efa nanao anao ho mpisorona ho solon’i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany ka hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
27
dia nahoana ianao no tsy nananatra mafy an’i Jeremia avy any Anatota, izay milaza azy ho mpaminany aminareo?
28
Fa nandefa iraka ho aminay atỳ Babilona izy niteny hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra aminy.
29
Ary namaky izany taratasy izany teo anatrehan’i Jeremia mpaminany i Zefania mpisorona.
30
Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO hoe:
31
Mandefasa iraka ho any amin’ny babo rehetra ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Semaia nehelamita: Noho ny naminanian’i Semaia taminareo, kanefa izy anie tsy nirahiko akory, fa dia nampitoky anareo tamin’ny lainga,
32
dia izao no lazain’NY TOMPO: Indro, efa hamaly an’i Semaia nehelamita sy ny taranany Aho: Tsy hanana zanakalahy honina amin’ity firenena ity izy sady tsy hahita ny soa izay hataoko amin’ny oloko, hoy NY TOMPO, satria fikomiana tamin’NY TOMPO no notorìny.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52