bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 2
Jeremiah 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 3 →
1
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Mandehana ka miantsoa eo anatrehan’i Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsaroako ny niraiketan’ny fonao Tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-tany efitra, teny amin’ny tany tsy mbola namafazan-javatra;
3
Masina ho an’NY TOMPO ny Israely sady santa-bokatra ho Azy; izay rehetra nihinana azy dia nohelohina ary loza no nanjo ireny, hoy NY TOMPO.
4
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry taranak’i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ny taranak’Israely!
5
Izao no lazain’NY TOMPO: Inona moa no tsy marina hitan’ny razanareo Tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka zava-poana ka nanjary zava-poana koa izy?
6
Tsy mba nilaza izy hoe: Aiza NY TOMPO izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitarika antsika tany an-tany efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’olona akory na nonenan’olona?
7
Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.
8
Tsy mba niteny ny mpisorona hoe: Aiza NY TOMPO? Ary tsy nahalala Ahy ny mpitahiry ny lalàna; nanota Tamiko koa ny mpitondra, ary naminany tamin’ny anaran’ny Baala ny mpaminany ka nanaraka ireny tsy nahavita na inona na inona ireny.
9
Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy NY TOMPO, ary hiady amin’ny zafinareo koa.
10
Fa mità ho any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima ka zahao! Ary mandefasa iraka ho any Kedara ka diniho tsara, dia ho hitanareo raha mba efa nisy toy izao, na tsia:
11
Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa dia efa nanakalo ny voninahiny tamin’ireny tsy mahasoa ireny.
12
Talanjòna amin’izany, ry lanitra! Ary matahora ka mangorohoroa fatratra, ianareo! Hoy NY TOMPO;
13
Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharano velona, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
14
Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy? Koa nahoana izy no voababo?
15
Hamely azy no mampierona ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao; nodorana ny tanànany ka tonga tsy nisy mponina.
16
Ny mponina tao Nofa sy Tapanesa aza dia nampangadihady ny tampon-dohanao.
17
Moa tsy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
18
Koa inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Ejipta hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no antony ankanesanao amin’ny lalana mankany Asiria hisotro ny rano amin’ny ony Eofrata?
19
Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fikomianao no ananarana anao; koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao NY TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ny tahotrao Ahy, Hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.
20
Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy namahanao ny fatoranao ka hoy ianao: Tsy hanompo intsony aho; nefa teny amin’ny tendrombohitra avo sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra no nandrianao sy nijangajanganao.
21
Nefa Izaho namboly anao toy ny karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; koa nahoana no nanjary sampany ratsy ianao, ary tonga voaloboka hafa?
22
Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
23
Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,
24
sy ry borikidia vavy, tamana any an-tany efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; koa iza no mahasakana ny fahamaimaizany? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; fa amin’ny volana fahamaimaizany no hahitany azy.
25
Mitandrema! Fa ho afaka amin’ny tongotrao ny kapanao, ary ho maina ny tendanao; nefa hoy ianao: Tsy manantena inona aho! Tsia! Fa ny vahiny no tiako ka hanaraka azy aho.
26
Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
27
dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko, ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy. Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako; nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe: Mitsangàna ka vonjeo izahay!
28
Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao ireny? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao; fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.
29
Nahoana no mifandahatra Amiko ianareo? Fa samy efa nikomy Tamiko ianareo rehetra, hoy NY TOMPO.
30
Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; ny sabatrareo no nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
31
Ry taranaka ankehitriny, dinihonareo ny tenin’NY TOMPO! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ny Israely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no miteny hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany Aminao intsony?
32
Hanadino ny firavany va ny virijiny, na hanadino ny fehikibony misy haingony va ny ampakarina? Tsy hita isa anefa ny andro nanadinoan’ny oloko Ahy.
33
Kanto izany fandehanao hitady fitia izany ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao.
34
Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny, izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory, nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao.
35
Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho ka ho afaka amiko ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny ilazanao hoe: Tsy nanota aho.
36
Nahoana ianao no maimaika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’i Ejipta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’i Asiria.
37
Hiala amin’izany koa ianao ka hiloloha tanana; fa nolavin’NY TOMPO ny zavatra maro nitokisanao ka tsy hahomby miaraka amin’ireo ianao.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52