bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 20
Jeremiah 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 21 →
1
Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,
2
dia namely tehamaina an’i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ny tranon’NY TOMPO.
3
Nony ampitso dia nesorin’i Pasora tamin’ny boloky hazo i Jeremia. Dia hoy i Jeremia taminy: Tsy nataon’NY TOMPO hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-Misabiba.
4
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.
5
Ary ny harena rehetra amin’ity tanàna ity, ny vokatry ny fisasarany rehetra, ny zava-tsoany rehetra ary ny harenan’ny mpanjakan’ny Joda rehetra, dia samy hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ka hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babilona.
6
Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babilona ianao ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
7
TOMPO ô, notaominao aho ka voataona; nosamborinao aho ka resinao; tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; izy rehetra dia maneso ahy.
8
Fa na oviana na oviana no itenenako dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’NY TOMPO dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro.
9
Raha hoy aho: Tsy hanonona Azy intsony aho na hiteny amin’ny anarany intsony, dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko izany, voahidy ato amin’ny taolako ary sasatra ny miaritra aho ka tsy mahazaka.
10
Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika.
11
Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra; ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina. Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany!
12
Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko.
13
Mihirà ho an’NY TOMPO, miderà NY TOMPO; fa mamonjy ny mahantra amin’ny tanan’ny mpanao ratsy Izy.
14
Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahìna anie ny andro izay niterahan’Ineny ahy!
15
Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin’Ikaky hoe: Tera-dahy ianao! Ary nahafaly azy indrindra izany.
16
Aoka ho toy ny tanàna izay noravan’NY TOMPO izany lehilahy izany ka tsy nanenenany; aoka handre fitarainana izy nony maraina ary akora lava nony mitataovovonana,
17
satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy mba hahatonga an’Ineny ho fasako ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.
18
Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo ka ho lany amin-kenatra ny androko?
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52