bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 41
Jeremiah 41
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 42 →
1
Tamin’ny volana fahafito, Ismaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, avy amin’ny taranaky ny mpanjaka, sy ny olona ambony maromaro akaiky ny mpanjaka, dia tonga tany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tao Mizpa; nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nisakafo tao Mizpa izy ireo.
2
Dia nitsangana Ismaela, zanak’i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Novonoiny ilay efa nataon’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tany.
3
Novonoin’Ismaela koa ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana ary ny miaramila izay hita tao.
4
Nony ampitson’ny andro namonoana an’i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
5
dia nisy valopolo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy miharatra volombava, sady rovitra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tanany, hoentina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
6
Ary Ismaela, zanak’i Netania, dia nivoaka hitsena azy avy tao Mizpa sady nitomany teny am-pandehanana. Nony tafahaona taminy izy dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama.
7
Kanjo nony tonga tao afovoan’ny tanàna izy ireo dia novonoin’Ismaela, zanak’i Netania, mbamin’ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
8
Fa nisy folo lahy tamin’ireo niteny tamin’Ismaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia varimbazaha isan-karazany sy diloilo ary tantely. Dia nijanona tsy namono azy tahaka ny efa nataony tamin’ny namany izy.
9
Ary ilay lavaka nanarian’Ismaela ny fatin’ny olona rehetra izay novonoiny ho eo anilan’i Gedalia, dia ilay nataon’i Asa mpanjaka mba hiereny an’i Basa, mpanjakan’ny Israely, dia nofenoin’Ismaela, zanak’i Netania, faty.
10
Ary noentin’Ismaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanaky ny mpanjaka, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Ismaela, zanak’i Netania, no nitondra azy ireny ho babo ka lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy.
11
Fa nony ren’i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’Ismaela, zanak’i Netania,
12
dia novoriny ny olona rehetra ka noentiny niady tamin’Ismaela, zanak’i Netania ary hitany teo amoron’ny ranobe ao Gibeona izy.
13
Ary ny olona rehetra izay tao amin’Ismaela, nony nahita an’i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
14
Ary ny olona rehetra izay noentin’Ismaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’i Johanana, zanak’i Karea.
15
Fa Ismaela, zanak’i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’i Johanana ka lasa nankany amin’ny taranak’i Amona.
16
Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’Ismaela, zanak’i Netania, avy tany Mizpa, taorianan’ny namonoany an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay noentiny niverina avy tany Gibeona.
17
Dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-Kimama izay ao akaikin’i Betlehema, mba handehanany hankany Ejipta
18
tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Ismaela, zanak’i Netania, dia efa namono an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, izay notendren’ny mpanjakan’i Babilona ho mpanapaka ny tany.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52