bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 14
Jeremiah 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 15 →
1
Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia noho ny hain-tany.
2
Misaona ny Joda ary mivalaketraka ny tanànany; mitafy lamba fisaonana izy ka mipetraka amin’ny tany; ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.
3
Maniraka ny madinika hantsaka rano ny lehibeny; dia tonga any amin’ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra siny tsy misy rano; menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.
4
Noho ny fangentan’ny tany, noho ny tsy nilatsahan’ny ranonorana taminy dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.
5
Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, rehefa miteraka, dia mandao ny zanany noho ny tsy fisian’ny ahi-maitso.
6
Ary mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady ny borikidia, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; jambena ny masony noho ny tsy fisian’ny ahitra.
7
TOMPO ô, na dia miampanga anay aza ny helokay dia miasà ihany Ianao noho ny anaranao; fa be ny fikomianay; taminao no nanotanay.
8
Ry fanantenan’ny Israely ô, mpamonjy azy amin’ny andro fahoriana! Nahoana Ianao no dia toy ny vahiny amin’ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?
9
Nahoana Ianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Ianao, RY TOMPO ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; aza dia mandao anay.
10
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany.
11
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hahasoa azy.
12
Fa na dia mifady hanina aza izy dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; ary na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza izy dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
13
Dia hoy aho hoe: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indreo ny mpaminany miteny aminy hoe: Tsy hiharan’ny sabatra ianareo ary tsy ho mosarena; fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ity toerana ity ianareo.
14
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
15
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay maminany amin’ny anarako ireo, nefa tsy nirahiko akory, ary milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
16
Ary ny firenena izay aminanian’ireo koa dia hiely eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra ny fatiny ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy; haidiko ao aminy ny faharatsiany.
17
Koa lazao aminy izao teny izao: Hijononoka andro aman’alina ny ranomasoko ka tsy hitsahatra; fa ny oloko, zanakavavy virijiny, dia naratra mafy tokoa tamin’ny kapoka tena maharary.
18
Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona.
19
Efa narianao tokoa va i Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Ziona? Nahoana no dia mikapoka anay Ianao ka tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa; ary niandry andro fanasitranana, nefa indro fampitahorana.
20
TOMPO ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay fa efa nanota Taminao izahay.
21
Noho ny amin’ny anaranao dia aza arianao izahay; aza atao ho tsinontsinona ny sezafiandrianan’ny voninahitrao; tsarovy ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.
22
Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny Jentilisa ireny? Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52