bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 3
Jeremiah 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 4 →
1
Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala Ravehivavy ka lasa vadin’olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va Ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, moa hahazo miverina Amiko indray va ianao? Hoy NY TOMPO.
2
Andrandrao amin’ny tendrombohitra mangadihady ny masonao ka jereo: Taiza no tsy nandrian’olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-tany efitra; ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.
3
Voasakana noho izany ny orana mivatravatra sady tsy tonga ny orana amin’ny lohataona; fa ny handrinao dia handrin’ny vehivavy janga ka tsy manaiky ho menatra ianao.
4
Moa tsy hitaraina Amiko va ianao amin’izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô! Ianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
5
Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatramin’ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
6
Hoy NY TOMPO tamiko tamin’ny andro nanjakan’i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’Israely mpikomy? Niakatra ho eny amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
7
Nataoko fa hiverina Amiko izy rehefa avy nanao izany rehetra izany, kanjo tsy niverina izy. Ary i Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
8
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Israely mpikomy ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangany dia tsy nety natahotra i Joda mpivadika rahavaviny fa nandeha nijangajanga koa.
9
Nandoto ny tany avy tamin’ny horakoraky ny fijangajangany izy ary nijangajanga tamin’ny vato aman-kazo.
10
Nefa tamin’izany rehetra izany dia tsy nety niverina Tamiko tamin’ny fony manontolo i Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ny fihatsarambelatsihy ihany, hoy NY TOMPO.
11
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Israely mpikomy dia hita fa marimarina kokoa noho i Joda mpivadika.
12
Mandehana ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Israely mpikomy, hoy NY TOMPO; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho, fa mamindra fo Aho, hoy NY TOMPO, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
13
Kanefa kosa, ekeo ny helokao, fa tamin’NY TOMPO Andriamanitrao no nikomianao. Nivezivezy nankany amin’ny hafa ianao teny ambanin’ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy NY TOMPO.
14
Miverena, ry zaza mpikomy, hoy NY TOMPO, fa Izaho ihany no Tomponareo. Hakako iray isan-tanàna ianareo ary roa isam-pokony ka hoentiko ho any Ziona.
15
Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko, izay hitondra anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena, ianareo.
16
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo dia amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no tsy hitenenany intsony ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary tsy hosaintsaininy akory izany sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanamboatra vata hafa.
17
Amin’izany andro izany no hanononana an’i Jerosalema hoe sezafiandrianan’NY TOMPO; hivory any ny Jentilisa rehetra noho ny anaran’NY TOMPO any Jerosalema, ary tsy handeha araka ny ditran’ny fo ratsiny intsony izy.
18
Amin’izany andro izany, ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely, dia hiara-mandeha ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy, ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
19
Ary Izaho efa niteny hoe: E! Fa hataoko isan’ny zanako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena rehetra. Eny, hoy Aho: Hiantso Ahy hoe Raiko ianao ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy.
20
Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ny sakaizany, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala Tamiko, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO.
21
Injany misy feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana sy fitarainan’ny Zanak’Israely; fa nivilivily tamin’ny nalehany izy ary nanadino NY TOMPO Andriamaniny.
22
Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray.
23
Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely.
24
Fa lanin’ny henatra hatramin’ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ny razanay, dia ny ondry aman’osiny sy ny ombiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
25
Aoka handry ao amin’ny henatray izahay, ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’NY TOMPO Andriamanitray no efa nanotanay, dia izahay sy ny razanay, hatramin’ny fahazazanay ka mandraka androany, sady tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52